FIRENENA FA TSY SEZA

Mifototra amin’ny firenena, fiandrianam-pirenena sy fitiavan-tanindrazana ny zava-drehetra mialohan’ny seza na andraikitra politika. Ilaina ny fanapahana tadim-poitra amin’ny endrika fanjanahan-tany rehetra.

VINA

Madagasikara afaka amin’ny ZIOGA mangeja. Malagasy MITOVY, miadam-pinaritra.

FANARENANA

VAHAOLANA POLITIKA FOLO (10) ATOLOTRY NY ANTOKO POLITIKA MADIO

62 taona izay no nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena izay noheverina fa hialana amin’ny ziogan’ny mpanjanaka. Toa fahaleovantena sarintsariny fotsiny ihany anefa izany. 62 taona aty aoriana dia mbola anisan’ireo firenena mahantra indrindra maneran-tany isika. Tao anatin’izay fe-potoana izay anefa dia tsy nisy firenena avy any ivelany nanafika antsika, na koa ady an-trano lehibe ka niteraka fifamonoan’ny samy mpiray tanindrazana.

Ireto manaraka ireto ary ny vahaolana politika atolotray.
Mety ho tsindry avy any amin’ireo firenena hafa izay mangeja antsika ny tsy nirosoana tamin’ireto kanefa heverinay fa antoka hahatanteraka ny vinan’ny Antoko Politika Madio :
« Madagasikara afaka amin’ny zioga mangeja, Malagasy miadam-pinaritra ».

1. RAFI-PANJAKANA

Rafi-panjakana mahasahy mandrava ka mametraka fototra vaovao dia ny lalàm-panorenana tena mety ho an’i Madagasikara : ireo vahaolana manaraka ireo ny fanovana tianay ho entina ao anatiny.
Tanterahina faran’izay haingana izay fifidianana lalàm-panorenana izay.

2. Fanovana RAFITRA

Fanovana RAFITRA sy fisafidianana OLONA : tsy ampy raha rafitra fotsiny no ovaina fa mila olona TENA VANONA sy VONONA. Mila mahasahy manapaka tadim-poitra amin’ny endrika fanjanahan-tany, tsy voageja na voafatotry ny firenena matanjaka. Mila miala haingana ao  anatin’ny fahantrana isika noho izany satria ny firenena mahantra dia  mangataka lava ka toy ny tsy manana
ny fiandrianany
.

3. Olona matihanina amin'ny politika

Olona matihanina amin’ny politika, voavolavola sy voataiza tany anaty Antoko Politika, ary koa ampy fahalalana sy  fahaizana no mitondra firenena. Fanampin’izay dia olona manam-pahendrena, tia tanindrazana, manome vahana hatrany ny Malagasy ary tsy  matahotra ny hiady sy hiaro ho an’ny
tombotsoan’i Madagasikara.

4. FITSINJARAM-PAHEFANA TENA IZY

FITANTANANA MANAKAIKY VAHOAKA no rafitra hamaha olana  haingana amin’ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara : FOKONTANY,  KAOMININA, DISTRIKA.
Fidiana avokoa ireo tompon’andraikitra ireo ary fidiana ihany koa ireo mpanolo-tsaina ao anatiny. Asesy avy any amin’ny fototra ny fifidianana : FOKONTANY, KAOMININA, DISTRIKA,  ANTENIMIERAM-PIRENENA, FILOHAM-PIRENENA. Ahena ny
andraikitry ny filoham-pirenena fa mavesatra loatra
Foanana tanteraka ny rafitra fanapariaham-pahefana  (déconcentration). Miasa eny anivon’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (kaominina sy distrika) ireo teknisianina
(administrateurs civils) mahafehy ny fitantanana ny raharaham-panjakana
Vesatra eo amin’ny asam-panjakana (lourdeur administrative) : tsy maintsy miezaka ny sehatra rehetra amin’ny fanamaivanana sy fanafainganana ny fomba fiasa

5. FISARAHAN’NY FAHEFANA TELO

 Tsy mahazo manendry mpikambana ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana (HCC) ny Filoham-pirenena
Esorina tsy ho mpikambana ao amin’ny Filan-kevitra ambonin’ny Mpitsara (CSM) ny Filoham-pirenena, mba hitandrovana ny fahaleovantenan’ny Fitsarana
Fidiana ny Minisitry ny Fitsarana ka ny fianakaviam-ben’ny mpitsara no mifidy azy
Tsy miandry « décret d’application » ny fampiharana ny lalàna izay efa lany avy any amin’ny Antenimieram-pirenena

6. LALANA MIFEHY NY ANTOKO POLITIKA

Faritana mazava ny loharanom-bolan’ny  Antoko Politika
Nanolotra volavolam-panavaozana ny  lalàna mifehy ny fifidianana ny Antoko  Politika Madio – APM, fa ireto teboka roa ireto no tena singaninay manokana :
       FERANA ny vola ampiasain’ireo  kandidà mba hampitovy lenta ireo  mirotsaka ho fidiana rehetra. Azo  tanterahina tsara io rehefa mazava ny loharanom-bolan’ny Antoko Politika.
Izany no atao dia mba ny hevitra no  hanjaka fa tsy ny vola
       TSY MAHAZO MIROTSAKA ho  fidiana izay mizaka ny zom-pirenena hafa  ankoatry ny Malagasy (double  nationalité), fa mora voafatotra izy ireny  amin’ny fanapahan-kevitra rehefa misy tombontsoa mifanipaka ny firenena roa  tonta.

7. Ny rafitra mpanao lalàna

  • Tsy ilaina ny rafitra mpanao lalàna anankiroa (Antenimieran-doholona sy Antenimieram-pirenena)
  • Foanana ny Antenimieran-doholona (SENAT) fa ampitomboina ny isan’ny solombavambahoaka, mba hisy lafin-kery sy lafin-kevitra maro samihafa eo anivon’ny antenimieram-pirenena. Farafahakeliny solombavambahoaka IRAY (1) ho an’ny olona IRAY HETSY (100.000). Raha ho an’ny Malagasy 26 tapitrisa izany dia solombavam-bahoaka 260 no ho fidiana.

8. Foanana ireo andraikitra mifanitsaka rehetra (doublure) fa tena mandany vola fotsiny

Foanana ny CENI : averina amin’ny ministeran’ny atitany ny fikarakarana ny  fifidianana hatramin’ny voalohany ka  hatramin’ny farany
Foanana fa tsy nahomby ireo rafitra  rehetra miady amin’ny kolikoly izany hoe  ny SAC (système anti-corruption)  napetraka teto Madagasikara : BIANCO,  PAC, SAMIFIN, CSI. Fitsarana  ambaratonga voalohany avokoa no  misahana ny raharaham-pitsarana rehetra
Foanana ny « Haute Cour de Justice »  HCJ fa manome vahana ny tsy maty   manota ary tsy mahaleo tena fa miankina  amin’ny antenimieram-pirenena
Foanana ny Komitin’ny Fampihavanana  Malagasy (CFM) fa tsy nahitana vokatra  raha resaka fampihavanam-pirenena
Foanana ny PRIMATURE ka afindra any amin’ny toerana hafa ireo mpiasa rehetra  ao. Tsy ilaina ny Praiminisitra fa filan-kevitry ny minisitra tarihin’ny Filoham-pirenena dia ampy
Foanana ihany koa ireo rantsa-mangaika mifanitsaka andraikitra (organismes  rattachés) toy ny : ATT, APMF, BNGRC sy  ny maro tsy ho voatanisa…. Efa rafitra  anaty ministera no miandraikitra  mivantana ny asan’ireo

9. FITSITSIANA

– Tsy ekena intsony ireo fandaniam-bolam-panjakana mihoa-pampana, tsy mifanaraka amin’ny filan’ny ministera sy ireo andrim-panjakana. Ohatra : chèque carburant, fivezivezena sy fivoahana any ivelany, fandehanana jet privé….
– Amidy daholo ireo fitaovam-panjakana mandany vola amin’ny tsy tokony ho izy. Ohatra :fiara 4×4 lafo vidy sy ny maro hafa
– Ny fitaovana rehetra ampiasain’ny olom-panjakana dia vidiana eto an-toerana avokoa raha mbola misy eto

10. FIFANARAHANA amin'ny mpampiasa vola

– Atao mangarahara sy manara-dalàna avokoa ny sehatra hampavitrika ireo mpampiasa vola avy any ivelany handraharaha eto Madagasikara : IDE na Investissements Directs Etrangers
– Ampahafantarina azy ireo mazava tsara ny fifanarahana fa « NY MALAGASY ALOHA » no laharam-pahamehana na dia eo aza ny tombotsoa ho azony amin’ny fampiasam-bola hataony eto

" NY MALAGASY ALOHA "

Ho antsika Malagasy rehetra monina eto MADAGASIKARA ary resy lahatra fa mbola honina sy hipetraka eto ; ho antsika mbola manana fanantenana fandrosoana eto amin’ny tanindrazantsika ; ho an’ireo namana sy havana any ivelany ka mitempo ho an’i MADAGASIKARA ny fony dia natao ho antsika rehetra ity boky ity.

Ity no boky atolotray Antoko Politika Madio-APM ho FANARENANA sy VINAM-PIARAHAMONINA ho an’i MADAGASIKARA manomboka amin’ity taona 2022 ity.

" NY MALAGASY ALOHA "

Ho antsika Malagasy rehetra monina eto MADAGASIKARA ary resy lahatra fa mbola honina sy hipetraka eto ; ho antsika mbola manana fanantenana fandrosoana eto amin’ny tanindrazantsika ; ho an’ireo namana sy havana any ivelany ka mitempo ho an’i MADAGASIKARA ny fony dia natao ho antsika rehetra ity boky ity.

Ity no boky atolotray Antoko Politika Madio-APM ho FANARENANA sy VINAM-PIARAHAMONINA ho an’i MADAGASIKARA manomboka amin’ity taona 2022 ity.

HIFANDRAY – APETRAHO NY HAFATRA