Zomà 8 aprily 2022 tamin’ny 10 ora maraina : navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny boky mitondra ny lohateny hoe « NY MALAGASY ALOHA » : FANARENANA sy VINAM-PIARAHAMONINA ho an’i Madagasikara.
Nanoratra ity boky ity ny Antoko Politika Madio-APM tao anatin’izay 7 taona nijoroany izay (2015-2022).
Vahaolana politika FOLO (10) no atolotra ao anatin’ny FANARENANA izay mitondra mankany amin’ny fanovana lalàm-panorenana. Ao anatin’ny VINAM-PIARAHAMONINA kosa dia misy vahaolana sy soso-kevitra isaky ny sehatra ary ho aterina any amin’ny Minisitra isaky ny ministera tsirairay.
Heverinay fa anjara biriky kely atolotray ho an’ny firenena izany, na dia tsy ao anaty fitondrana aza ny Antoko Politika Madio-APM.
Naseho tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny site web www.apm.mg. Azonao vakiana sy alaina maimaimpoana ao ny boky « NY MALAGASY ALOHA ».
Nofaranana tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ireo mpikambana APM tonga manokana avy any amin’ny faritra ny fotoana.
« NY MALAGASY ALOHA » : Vinam-piarahamonina sy Fanarenana ho an’i Madagasikara.